Sahafanilo

Sahafanilo

Tonga soa eto Sahafanilo e!

0 appréciations
Hors-ligne
Nanovozantsika soa be dia be Sahafanilo, na isika ato @ Fanilon'i Madagasikara, na ny SAFAFIM, ny vahiny, ny maro hafa koa e! Betsaka ny souvenir antsika tao, izany indrindra no namoronana ity blog ity, ifanomezantsika tanana hikolokoloana ny Sahafanilo. Koa ny irariana dia ny ifampizarantsika ny traik'efa anantsika amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny hevitra ananantsika enti-mampandroso ny Sahafanilo, ny tahirintsary sy soratra rehetra any amintsika mikasika ny Sahafanilo. Koa alao hery àry!

Derni?re modification le 18-10-2011 ? 15:11:54
Vonona mandrakariva!

0 appréciations
Hors-ligne
Vonona ny hifanome tanana e! fa hono hoa afaka tsidihina ve io Sahafanilo io? Inona ny fepetra?
Lafatra

0 appréciations
Hors-ligne
izaho manana sary vitsivitsy ihany fa alefako ary eee

Derni?re modification le 01-11-2011 ? 12:55:19
Annie Gilberte

0 appréciations
Hors-ligne
vehivavy tantsaha maro avy amin'ny fokontany manodidina an'i SAHAFANILO no efa nahazo tombotsoa maro tao tamin'ny fiaraha-miasa tamin'ny Fanilon'i Madagasikara sy ny VASI-VAHASA. toy ny fanomezana fitaovam-pamokarana sy masom-boly ary zezika ho azy ireo. teo koa ny fanofanana isankarazany mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana trondro. ary ny fifanampiana amin'ny famarotana ny vokatra tantelin-dry zareo.
efa tafatsangana ela ry mitombo hatrany ny fikambanan'ny Vehivavy Tantsaha isam-pokontany mivondrona ao amin'ny FIFITAVESA.
ny fiaraha-miasa sy ny fifanomezan-tanana toa izany no antoky ny fampandrosoana maharitra eny Ambanivohitra
FANILO, TOUJOURS PRET!

0 appréciations
Hors-ligne
Tsara ny fifampizarana sy fifanankalozan-kevitra toy izao. Mankasitra e!
Ao amin'ny sedra FIM misy mahakasika ny fitsidihana toerana sy fahafantarana toerana, koa tsar kokoa raha asiana tetik'asa ao amin'ny Sahafanilo: toy ny fambolena hazo na ravintsara ohatra. Amin'izay dia anasana ny rehetra ka atao karazana session dia mandeha any manomboka amin'ny HA-MP. tsy atao imason'olona fa lazaina ihany! lol, fa betsaka ny mpikambana no tsy mbola mahafantatra na mahafantapantatra izany sahafanilo izany.
Tamin'ny herintaona izahay nanao fangatahana zanaka ravintsara tany amin'ny ministera ny fambolena dia nahazo 600 isa, sao mba mi-intéréssé antsika FIM ihany koa!
Mirary soa ho antsika rehetra e!
soulalaina

0 appréciations
Hors-ligne
salama aby ô §
miombonkevitra tanteraka amin'ny hoe nanovo soa be dia be tao Sahafanilo isika, indrindra moa fa ireo efa zokizoky. Dia tokony jerena akaiky ny hahafahan'ny zandry, indrindra ny FIM lavitra an'Antananarivo mba hahita ny Sahafanilo amin'ny fotoana handalovany ato amin'ny fikambanana.
Asiana réflexion lalindalina ny hetsika azo atao hahatongavan'ny FIM lavitra any, ohatra hoe, mba ho tonga any Diégo hamonjy JMJ amin'ny 2012 dia mandalo an'Antananarivo, ka sao mba mivily any SAHAFANILO ny FIM manerana ny nosy rehefa mandeha mody ? soskevitra avy aty Tolagnaro io e
Mirary soa ho antsika rehetra dia mifampivavaka
diotlg

0 appréciations
Hors-ligne
Bjr Diotlg, Misaotra indrindra amin'ny fitsidihana an'ny blog e.

Ny Fanilo rehetra eto Madagasikara dia presque efa samy nandalo tao Sahafanilo avokoa satria ao no anaovana ny formation, lasy sy ny fihaonana nasionaly.

Tena hisy fihaonana ho an'ny mpiandraikitra rehetra tokoa @ volana aogositra alohan'ny JMJ, fiofanana ho an'ny mpiandraikitra ios ady famranana an'ilay taon jobily faha 70.

Fanilo ve sa Skoty sa mpanohana e? Misaotra e
Patricia
Vous ne disposez pas des permissions nécessaires pour répondre à un sujet de la catégorie Tonga soa eto Sahafanilo.

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 25 autres membres