Sahafanilo

Sahafanilo

Ahoana ny fahitanareo ny fanabeazana eto Madagasikara e!

0 appréciations
Hors-ligne

0 appréciations
Hors-ligne
raha izaho manokana aloha dia hitako ho miha-sarotra ny manabe olona e! ny antony dia vokatry ny rivo-piainana sy fandrosoana entiny fahitalavitra, ny finday, ny ordinateur.
Lafatra

0 appréciations
Hors-ligne
Tsy afaka hanakana ny zavatra toy ireny tsy hiditra eto Madagasikara isika fa ny soatoavina maha Malagasy "identité culturelle" no tokony ezahina hamafisina mba tsy ho very.
Vonona mandrakariva!

0 appréciations
Hors-ligne
Ny fanabeazana miankina amin'ny nanabeazana hatrany amin'ny fahazazàna aloha .Tsy maintsy misy voatazona ny soa toavina malagasy raha mbola tany amin'ny toerana lavitry ny technologie no nipoiranao.Vitsy no teraka niaraka amin'ny HiTech raha oharina amin'ny teraka any ambanivohitra.70% ny malagasy dia tantsaha. Ny finday no lasa lavitra aloha hatram'izao.Ny ankizy menatra ny loharano nipoirany no sarotra beazina

0 appréciations
Hors-ligne
Marina tokoa izany fa saingy,tsy vitsy koa ny tsy mahafantatra akory izay loharano nipoirany, ohatran'ny tsy mitombina intsony ilay 70% aloha raha ny tanora no jerena e! ka aiza no ampianarana izany identité culturelle izany? NY INSTRUCTION CIVIQUE ARY ZAO EFA TSY DIA MIDITRA LOATRA @ ANKIZY INTSONY? ny fanajana RAR ny sainam-pirenena sy ny sisa e!
Lafatra

0 appréciations
Hors-ligne
Ny tena loza sy angano de ndeha atao hoe isika mpanabe, ray amandreny, mpanabe any antsekoly, mpanabe ara-pinoana mihitsy no efa tsy mitazona ny fototry ny nanabeazana antsika, heverintsika fa efa nilaozan'ny toetrandro izany ankehitriny raisiko ho ohatra ny fanabenazan'ny scoutisme (Antily, FIM) eto amintsika, efa zatra tolorana fotsiny ireo beazina satria ireo mpanabe na dia nobeazina hihafy dia efa manaraka ny totrandro koa angamba de lasa mampihanta ireo beazina, koa isika rehetra; indrindra fa zay mbola mahatsiaro tena no aoka samy handini-tena hamerina indray ny hasina izany nanabeaza antsika tsirairay avy

0 appréciations
Hors-ligne
Ny olana voalohany hitako maha-sarotra ny fanabeazana dia ny fahitana fa sadasada ny fiaraha-monina eto amintsika te hanakatra ny any ivelany nefa tsy mahafehy izany,te hanary ny maha-malagasy koa anefa.Tsy maintsy andalovana anefa izany nohon'ny fanatontoloina.Koa anjarantsika mpanabe ny mikaroka fomba tsy hanariana ny maha gasy antsika, nefa koa mampiasa ireo fitaovana entin'ny fandrosoana hampitana ireo soa toavintsika ireo mba hahasarika ireo beazina sy haharesy lahatra azy fa tsy nilaozan'ny toetr'andro akory ny fanabeazana hatramin'nizay.Manabe dia midika fiofanana sy fikarohana hatrany ary fifampizarana traikefa
Voahangy VIII
Vous ne disposez pas des permissions nécessaires pour répondre à un sujet de la catégorie Tonga soa eto Sahafanilo.

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 25 autres membres