Sahafanilo

Sahafanilo

FIM 70 taona

0 appréciations
Hors-ligne
Miarahaba antsika rehetra, mba izarao izay rehetra fantatrareo hanamarihina manokana io 70 ème io e!

0 appréciations
Hors-ligne
hadinoka kely fa izaho dia avy aty amin'ny Diosezin'Antsirabe

18-19 Fevrier ny fanokafana @ fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-70 taona. Samy mankalaza isaky ny Diosezy fa raha ny eto Antananarivo dia Sorona Masina no hanombohana azy dia misy programa maromaro ho tanterahina. Araho tsara fa efa ho avy ny Conference de presse hilaza ny andinindininy rehetra!

0 appréciations
Hors-ligne
Hasehontsika an-tsehatra ny tantaran'ny Fikambanana,holalaovin'ireo beazina isan-tsampana sy ny mpiandraikitra notsongaina. Hasehontsika fa mahery ny fikambananatsika ami'ny fanompoana an'Andriamanitra.

ny fahatontosan'izay rehetra izay dia ho voninahitr'Izy ihany.

myriam

0 appréciations
Hors-ligne
Misaotra tamin'ny fanampim-panazavana rehetra, raha ny aty amin'ny diosezinay manokana aloha dia efa eo andalana mikatro-doha ny ahatomombana izany, amin'ny alahady ho avy izao no hanangana ny komitin-jobily dia rehefa tafatsangana io komity io vao hieritreritra ny zavatra rehetra ho tontosaina, fa ny amin'ny fanokafana ofisialy dia ny 18 fevrier no hiakatra eto ny FIm amperinasa rehetra eran'ny diosezy dia io andro io no hanaovan'ny mpiandraikitra rehetra nahavita fiofanana ny veliranony ho an'ireo izay mbola tsy nahavita, ny 19 kosa indray dia misy messe ho tarihin'ny eveka iarahan'ny beazina, mpanabe, tranainy, ray amandreny, mpanohana sy ny ZAP sy RAP ary izay rehetra mankasitraka ny fanabeazan'ny fanilo.
Izay ny aty fa dia mirary soa ary ampitaina eto ihany ny fitsangananan'ny komity amin'ny fotoana maha mety izany
Mirary soa e!

Mirary soa ho an'ny Fanilon'i Diosezin'Antsirabe e! Efa vonombonona daholo ny rehetra izany @ fankalazana. Ifampizarantsika eto ihany ny hetsika rehetra, sy ny sary rehetra koa e.

0 appréciations
Hors-ligne
Miarahaba, noho ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny 19 fevrier dia mba miangavy raha misy manana ilay logo faha 70 taona fa ilaina na ho an'izay depliant ampiasaina na ho amin'ny hetsika hafa omanina ankoatra io, koa raha efa misy manana eo antanana dia mba ifampizarao satria ny fotoana dia efa mandeha dia mandeha nefa isika tsy manana fotoana malalaka be loatra noho ny asa sy ny andraikitra hafa
Mirary soa e!

Ao @ facebook-ntsika misy an'ilay logo an! Androany ny conference de presse dia tokony ho hitantsika @ vaovao rahariva, na rahampitso ho anareo any @ faritany.

0 appréciations
Hors-ligne
Dia miarahaba antsika rehetra amin'izao 70ème anniversaire izao.Hiroborobo hatrany anie ny FIM
Voahangy VIII
Vous ne disposez pas des permissions nécessaires pour répondre à un sujet de la catégorie Fanilon'i Madagasikara, faha-70 taona.

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 25 autres membres